AKANJO FOTSY
Ilay
ankajo fotsy
Tsy nanaovanao
Raha tsy andro alahady
Iny
indray izao no
Nampitafiana anao
Sanatria toa hanambady
Kanefa
anie
Nitoetra anaty rahona any a
Izaho re
Tavela irery eto an tany
Mitomany malahelo
Migoka ranomaso
o!o!o!o
Voninkazo
kely
Eo an-tratranao
Raozy kely sarobidy
Toa any....
Saika nomeko anao
Raha toa isika roa mivady
Indrisy
re
Fa ny alahelo anao sisa
Ho tonga eo
Hameno ora maro isa
Mandra-pahatongako
Eny ankaikinao
o!o!o!o
Volana
tantely
Rakotra hafanana
No mba hany anjaranao
Ny fitiavatsika
Tsy nisy nahalala
Vao mba tonga dia nandao
Oviana
moa
Ianao mihazakazaka
Raha vao nahita avy any lavitra any
Oviana koa
Ianao niteny moramora ahy
Handao isika hivady
Nataoko ho vazivazy
o!o!o!o
Indro
ianao matory
Mandry fahizay
Tsy mihaino ahy intsony
Voninkazo kely
Saika mba haniry
Kanjo tonga ny havandra a