METIMETY
Metimety ny manan - kavana
Fa ny manam -bola manan - taratasy
Ny manan’omby no manan - kena
Manan - tanimbary manam - pitafiana
Fa tsy misy tahaka ny manan - kavana
Metimety ny manam - piara
Fa ny manam - piara tsy mba mety tara
Ny manam - piara mahita vady
Ny manam - bady matory tsara
Fa tsy misy tahaka ny manan - kavana
Metimety ny manam - basy
Fa ny manam - basy manan - kery
Ny manan - kery manan - tany
Ny manan - tany manam - panjakana
Fa tsy misy tahaka ny manan - kavana
Nilefalefa ny fokonolona
Fa tonga ny vazaha soanegaly
Folklore du Pays Betsileo