TABLIER MANGA
Tablier manga
Fony ianao zazavavy tsotra
Nitondra Kitapo
Nanao tablier(bis)
Iny ianao fa
namonjy lera
Tsy nitaveravera
Fa(sao tezitra i Mera)bis
Saika diso endry
Tsy nilalao afa tsy
Ireny saribakoly ireny
(Nefa ny saribakoly
Tsy mamaly fitia )bis
Tonga ary aho,tonga
aho hitantara
Ilay hatsaran'
Ny raozy vao maraina(bis)
Nampianariko
anao
Koa ny nankafy,iry lanitra iry
Rehefa (maty ny Masoandro)bis
Nony tonga ny hariva
Ianao nanisa Kintana
Izaho nibanjina ny tany
(Izaho somary
miala
Ianao miantso hoe avia)bis