VATAVY
Vata vý nidiny gadana
No nanangonany fananana
Dia zandiana rovidrovitra
No nanakonany ny tavany
Ndeha ho any Ambalatavoahangy
Ka somary menamenatra
Izay vao hiatrika masoandro
Hiady ho isan’ny olo - marina
Velombeloma any Ambalatavoahangy
Fa sanatriaviny anie ny hamangy
Nanakoako re , teny an - kodahoda re
Tamin’ny hiran’olon -tokana nandalo teo
Fariparitany tamin’ny dia - tongony
Zany tanimena vakivakin’i Rabetsileo
Mbola ho lavitra ny làlany
Manara - drindrina izy raha mivoaka
Ny vahoaka ao an - tanànany
Mandositra azy toy ny boka
Ndeha ho any Antalatanosy
Na mankany Bekobay
Hoteteziny ny nosy
Any ho any an’izy tsisy mahay